× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

SAMPANA MPANAZAVA SY TILY

Niorina tamin’ny taom-panabeazana 1967 – 1968

Ny SAmpana MPAnazava sy TIly na ny SAMPATI dia sampana mitaiza sy manolokolo ary mandray anjara amin’ny fampivelarana ny maha-olona feno (ara-tsaina, ara-batana, ara-panahy, ara-moraly, ara-pihetsem-po, ara-piarahamonina) ny tanora zazalahy sy zazavavy ao aminy mba ho tonga Vavolombelon’i Jesoa Kristy, Olom-pirenena vanona, Andrim-pianakaviana. Izay mifototra amin’ny adidy amin’Andriamanitra, adidy amin’ny hafa ary adidy amin’ny tena.


NY TANTARAN'NY SAMPATI

Niorina tamin’ny taom-panabeazana 1967 – 1968 ny Sampati teto amin’ny FJKM Ilanivato, ary rehefa voatokana dia nitondra ny laharana faha 36 teo anivon’ny faritany. Tily ihany no nisy tamin’izany izay notarihin’i :

  • Atoa RANDRIAMANANANDRO Marthin (Tonia)
  • Rtoa Claire (Akela mavo Tily)
  • Atoa RAJAONARIVELO, mitondra ny solon’anarana SOKINA (Mpiandraikitra maitso Tily)
  • Atoa RABARY Claude (Mpiandraikitra ny Mpiandalana n any Mena Tily)

Niloko Mainty sy Fotsy (sisiny) ny fehi-tenda (foulard) tamin’izany ka nifono ny hevitra hoe: “Avy ao amin’ny haizina no hiposahan’ny mazava”.

fehi-tenda mainty sy fotsy

Rehefa nahatanteraka sy nandalo taom-panabeazana maromaro ny fivondronana dia niato kely nanomboka teo amin’ny taona 1970 ka taty amin’ny taona 1992 indray vao nanatanteraka ny hetsi-panabeazana.

Nitondra fiovana vitsivitsy izany, anisan’izany ny lokon’ny fehitendan’ny fivondronana izay lasa Volon-davenona sy Maitso:

  1. Volon-davenona: Finoana miorina eo ambony vatolampy
  2. Maitso: Voadidin’ny zava-boahary

fehi-tenda mainty sy fotsy

Ankehitriny dia mankalaza ny faha – 50 taona niorenany ny sampana, ka ny teny faneva iainana mandritra izany dia ny: Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana” Apokalypsy 2:10b"


IREO BIRAO
ANARANA ANDRAIKITRA
RAKOTONANDRASANA ANDRY Filoha
RASENDRASON ROVATIANA Filoha Mpanampy
MBOLATIANA FANOMEZANTSOA NOMENJANAHARY Mpitahiry vola
ZAFIMAHERY ARIVOLOLONIRINA AINANOMENA Mitan-tsoratry ny vola
RAKOTOVOLOLONIRINA FELANA Mpitantsoratra
. RAVOLOLOMBOAHANGY MAVO Mpanolo-tsaina
. RASOLOARIMANANA THIERRY Mpanolo-tsaina
Logo SAMPATI

« Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana » Apokalypsy 2:10b