× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

MOMBA NY FIANGONANA

Ireto avy ireo daty manamarika ny tantaran'ny Fiangonana.

2022 :

27 Novembre 2022: Fifandraisan-tanana teo amin'ny Mpitandrina RAFALIARIVONISOLO Olivier G mianakavy sy ny Fiangonana

2020 :

30 mey 2020: Fametrahana ny Mpitandrina vaovao: RAFALIARIVONISOLO Olivier Gérard teto amin'ny FJKM Ilanivato Misionera

2019 :

03 febroary 2019: Fanokafana ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny Jobily fisotroan-dronon'ny Mpitandrina RARIJASON Hery. 26 jolay 2019: Ivon'ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny jobily niarahana tamin'ny foibe FJKM sy ny SPAA 10 28 jolay 2019: Ivon'ny fankalazana an'Andriamnitra noho ny jobily, niarahana tamin'ny reny Fiangonana sy ny zanany am-pielezana 29 decembre 2019: Famaranana ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny Jobily fisotroan-dronon'ny Mpitandrina RARIJASON Hery.

2019 :

29 desambra 2019: famaranana ny Fankalazana an'Andriamanitra noho ny Jobily fisotroan-drononon'ny Mpitandrin RARIJASON Hery A. mianakavy.

2019 :

28 Jolay 2019: Ivon'ny fankalazana an'Andriamanitra noho ny Fifandraisan-tanana eo amin'ny Mpitandrina RAFALIARIVONISOLO Olivier G mianakavy sy ny Fiangonana

2011 :

Fankalazana ny faha 25 taonan'ny fiaraha-miasan'ny Mpitandrina Rarijason Hery mianakavy sy ny fitandremana Ilanivato

1998 :

Fitsingerenan'ny faha-120 taonan'ny fiaraha-mivavaka voalohany teto ilanivato(1878): "Hamboatra firenena voahomana ho an'ny Tompo " Lio 1:17c no teny faneva

1986 :

Ny volana septambra 1986 no nanomboka nitandrina teto Ilanivato andriamatoa RARIJASON Hery, mpitandrina

1980 :

Ny 30 marsa 1980 no nankalazana ny faha 50 taonan'ny Sampana Zatovolahy Kristiana ( sampana lehilahy ankehitriny)

1978 :

NY 30 septambra 1978 no nankalazana ny faha-100 taonan'ny fiaraha-mivavaka voalohany teto Ilanivato. Notokanana tamin'izany ny Akany Tanora Kristiana miaraka amin'ny trano vadim-piangonana ao atsimon-trano, ary ny Orga vaovao ho tsangambato

1944 :

Ny 4 septambra 1944, fankalazana ny faha-50 taona nanorenana ny Trano Fiangonana

1931 :

Fanorenana ny sekolim-piangonana ( Ecole Primaire Mixte Ilanivato)

1902 :

Ny taona 1902, fah-20 sy 21 septambra no notokanana ny trano fiangonana .

1894 :

3 Septambra 1894, napetraka ny vatofehizoro

1891 :

Ny taona 1891 no nanomboka nanao ny asa maha-Mpitandrina azy voalohany teto ilanivato Ingahy RAINIMIANDRISOA ary izy no nitaona ny vahoaka hanorina trano Fiangonana

1878 :

Ny taona 1878 no niantomboka ny fiaraha-mivavaka voalohany teto ilanivato ka : RASOAMAROVONY, RAINIZAFINDRAZANA, RAINIMALA, RAINITSIMBELOMA, RAINITAVY, RAINISOAHIRATRA, RAINIVELONANOSY, RAINIMAVOKIZONGO, RAINIMAHATAFANDRY, RAINIJAONARY no voarakitra fa nitarika izany fiaraha-mivavaka izany ary voalaza fa tany an-tokantranon'olona no nifandimbiasana nanaovana fanompoam-pivavahana

Ity rakin-tsary amin'ny endriny "electronique" dia mampiseo ireo mpitandrina nifandimby teto amin'ny fitandremana FJKM Ilanivato Hijery

Misy Sampana valo sy Sampan'Asa telo ary Fikambanana 4 no mijoro eto anivon'ny FJKM Ilanivato, ka ireto avy izy ireo :

Ireto avy ny lisitry ny Biraom-piangonana am-pierin'asa ankehitriny :

Ny Filoha :

RAFALIARIVONISOLO Olivier Gérard, Mpitandrina

Ny mpitan-tsoratry ny fivoriana :

RARIJASON Mamy

Ny mpitan-tsoratry ny vola :

ANDRIANARY Livasoa Willy

Ny mpitahiry vola :

ANDRIAMAHERISOA Nary

Ny mpanolo-tsaina :

RAKOTOARIVELO Mamy

RAZAFINANDRIANINA Haja

RANAIVOSOA Tokiniaina Rija Harifetra