× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

GROUPE ARTISTIQUE FEON'NY LANITRA ILANIVATO


TANTARAN'NY GROUPE ARTISTIQUE FEON'NY LANITRA ILANIVATO
1967 :

13 Novembre 1967 notokanan'i Pasteur Rakotomavo Rasoahanana Olivier ny AMFLI (Antoko-Mpihira Feon'ny Lanitra Ilanivato)

1975 :

Nikambana ny AMZI (Antoko Mpihira Zafindrahony Ilanivato) sy ny AMFLI (Antoko Mpihira Feon'ny Lanitra Ilanivato) ka lasa AMZFLI ( Antoko Mpihira Zafindrahony Feon'ny Lanitra Ilanivato)

1980 :

Nisaraka avy eo ny AMZFLI ka i Randria Rakotoarimalala no nitarika ny AMZI ary i Rajaonarivelo Louis Hector ny AMFLI.

2012 :

Niova anarana ho GAFLI (Groupe Artistique Feon'ny Lanitra Ilanivato) ny AMFLI (Antoko Mpihira Feon'ny Lanitra Ilanivato) nohon'ny talenta maro nisy (Mpamoron-kira, Mozika, dihy, ravaka sy haingo,...)

2015 :

Filoha: Atoa RAZAFIMANANTSOA Mosesy Arifeno Filoha mpanampy: Atoa RABEMANANTSOA Herimanjato Mpitantsoratry ny PV: Rtoa RABENAHY Lova Mpitantsoratry ny vola: Rtoa RANDRIANIRINA Andrea Mpitahiry vola: Rtoa ANDRIANTSOA Ravaka Mpanolo-tsaina: 1- Atoa RAKOTOMANANA Martial ANDRIANJARISOA Tsihoarana Ditto Vahatrarifera 2- ANDRIANJARISOA Tsihoarana Ditto Vahatrarifera

2019 :

Ny filoha: NIVONTSOA Danielle Jacobine Ny filoha mpanampy: ANDRIANJARISOA Ditto Ny mpitan-tsoratry ny fivoriana: VONIHASINA Enricka Fenohery Ny mpitan-tsoratry ny vola: RAHARIMALALA Diary Famenontsoa Ny mpitahiry vola: RAHARIMALALA Marthe Ny mpanolo-tsaina: 1. ANDRIAMASIMANANA Tonganirina F. 2. RABARIVELO Rado


TANJONA

  • Ny GAFLI : Groupe Artistique Feon’ny Lanitra Ilanivato, dia antoko mpihira sady fikambanana velona eo anivon’ny FJKM Ilanivato. Ankehitriny dia miisa 50 eo ho eo ny mpikambana ahitàna mpihira sy mpitendry ary mpamoron-kira. 1. Mission: asa Mitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy midera an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta ary ny kanto rehetra toy ny: hira, dihy, tantara an-tsehatra, zava-maneno, mozika, “comédie musicale”, “mime”, … 1.1 Eo anivon’ny GAFLI:  Mitaiza sy manabe ny mpikambana ara-panahy sy ara-tsaina ary ara-batana.  Mampianatra Soratra Masina amin’ny fomba maro samihafa mba hitomboan’ny finoana sy ny fifankatiavana.  Mitrandraka sy mampitombo ireo talenta maro samihafa ananan’ny mpikambana. 1.2 Eo anivon’ny fiangonana FJKM Ilanivato:  Mandray anjara hira ao anaty fanompom-pivavahana hanomezana aim-panahy ny fiangonana.  Mandray anjara ihany koa amin’ny fiderana isaky ny Zoma masina sy ny amin’ny herinandro sambatra (Volana Desambra). 1.3 Any ivelan'ny fiangonana FJKM Ilanivato:  Manaparitaka ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ireo fanomezam-pahasoavana voalaza etsy ambony ireo.  Manatanteraka ny iraky ny Fiangonana (Misionera).  Miara miasa sy manampy ireo fiangonana hafa.  Mamaly ireo fanasàna mba hihira na hitory teny an-kira na hizara traikefa. 2. Zanak’asa: Tori-teny an-kira, fampianarana Soratra Masina, Fitoriana an-kira any ivelany. 3. Olona kendrena: Ny mpikambana tsirairay, ny Fiangonana FJKM Ilanivato, ireo olona any ivelan’ny Fiangonana. 4. Tondro: Mpikambana resy lahatry ny fitoriana ataony, Fiangonana voatsindron’ny Tenin’Andriamanitra sy resy lahatra ary miova fo sy toetra ary fiaina, Mpijery mahazo aim-panahy. 5. Enti-manatanteraka: Ny mpikambana tsirairay (actif). 6. Tompon’andraikitra Ny birao sy ireo vaomiera isan-tsokajiny: ara-panahy, fifandraisana, fitaovana, hira, haingo “decoration”, fanamiana “tenue”, dihy. 7. Enti-manana: Arakaraky ny toerana hanaovana ny asa, ny saran-dàlana sy ny sakafo ary ny fanamafisam-peo 8. Fotoana: Ato am-piangonana isaky ny Alahady, ny Zoma Masina ary ny herinandro sambatra, isaky ny misy manasa hitory any ivelany, mandritra ny tafika masina ataon’ny Fiangonana any ivelany sy ato anatiny.

  • IREO BIRAO
    Ny Filoha

    ANDRIANJARISOA Ditto

    Ny filoha mpanampy

    NIVONTSOA Danielle Jacobine

    Ny mpitantsoratry ny fivoriana

    VONIHASINA Enricka Fenohery

    Ny mpitantsoratry ny vola

    RANDRIANARIJAONA Domoina Misarintsoa

    Ny mpitahiry vola

    RABARISON Aina Nancy Drick

    Ny mpanolo-tsaina

    1. ANDRIAMASIMANANA Tonganirina F.

    2. ANDRIAMAHEFASOA Andry Niaina Teddy

    TAHIRINTSARY

    Tahirintsary DIAKONA

    Tahirintsary faha 35 taona ny feon'ny lanitra