× home PEJY VOALOHANY location_city FIANGONANA LEHIBE account_balance FIANGONANA MITORY domain AKANY ZADI people SSAF live_help NY FIANGONANA arrow_forward Se connecter

FIANGONANA MITORY

Foto-kevitra:

Famaritana : 1Kor. 10:31- 11:1 => ny fiainana iray manontolo no fitoriana ny Filazantsara Manahaka an'i Kristy (teny, asa, fitondrantena, moraly…)mba hovonjena ny maro (na Jiosy, na jentilisa, na ny Fiangonan'Andriamanitra ) Fiainam-pitoriana: amin'ny fotoana rehetra amin'ny toerana rehetra amin'ny zavatra rehetra (tranga, atao,…)

Tafika Masina:

Foto-kevitra misionera : Ny "mission"(iraka) : ny asa rehetra ataon'Andriamanitra, na ampanaoviny olona, noho ny fitiavany mba hamonjeny izao tontolo izao (misionera daholo ny olona rehetra eo amin'ny andraikitra nametrahana azy eto amin'ity fiainana ity) Andriamanitra no tena misionera: ny Ray no mikasa, ny Zanaka no "fitaovana" fanatanterahana, ny Fanahy Masina no manatanteraka izany eo amin'ny olona sy ny fiarahamonina(oh. Jao. 3:16 ) Ny filazantsara dia milaza fa tonga i Jesoa hitady sy hamonjy ny very eto amin'ity fiarahamonina eto amin'izao tontolo izao ity(Lio. 19 :10) Ny iraka farany napetrany dia mitodika mankany amin'izany fiarahamonina very mila vonjy izany (Mat.28 :18-20 ; Mar. 16:15) Rom. 11:25, ny misiona no fitaovana hahatanteraka ny "hafenoan'ny jentilisa", ka hidiran'ny tantaran'izao tontolo izao amina dingana hafa eo amin'ny fikasan'Andriamanitra.

FIHEVERANA NY MAHA OLONA

Foto-kevitra: ny refy rehetra maha olona ny olona no nitondran'i Jesoa Kristy ny famonjena :refin'olona manokana(dimension individuelle): araka ny 1 Tes. 5:23 sady fanahy izy, no aina (âme), no tena. Refy iombonana(dimension communautaire): misy refy maromaro toy ny sosialy, ekonomika, politika, koltoraly. (jereo ny endriky ny famonjen'Andriamanitra an'Isiraely tany Egypta,tany an'efitra, tany Babylona, Tao Kanana, ny pratikan'i Jesoa Kristy, sy ny fiangonana voalohany) Tsoa-kevitra: Tsy afaka misaraka fa miaraka lalandava ny fanambaràna ny Teny Mahafaly sy ny fiahiana ny maha olona.

Fanampiana ny tranga manokana : (Mat. 5:42) Oh: traboina amin'ny rano, voaendaka (jer.Lio. 10:25-37), sns… Tsara raha misy tetibola manokana ho amin'izany! Fanofanana samihafa: mba ho fanampiana manafaka ny atao fa tsy ho fanampiana mampiankin-doha. Oh. Fanofanana momba ny fahasalamana, asa fivelomana, fanampiana ny hanala fanadinana,sns… Asa tolo-tanana amin'ny fotoana voafetra: voli-vary, tao-trano, aretina samihafa, sns…

Foto-kevitra : Asa. 14:7: tsy mamela ny Tenany tsy hanana vavolombelona ny Tompo. 1Kor. 12:4-7: napetrak'Andriamanitra ao amin'ny Fiangonana ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta rehetra ho FISEHOAN'ny Fanahy sy HAHASOA ny fiarahamonina sy ny Fiangonana. Ny fiaraha-mientan'ny kristiana FJKM no hahitan'ny fiarahamonina mila vonjy eto amin'ny firenena ny asa vavolombelony.

Fananganana trano Fiangonana Fananganana ivotoerana(centre)hanompoana(samihafa) Oh. Centre d'accueil, Centre d'écoute, Centre de formation professionnelle, sns… Fananganana toeram-pitsaboana ho fanohizana ny asan'i Jesoa Kristy (oh. Lio. 10:35) ; Lio. 5:3) Oh.Hopitaly mahafeno ny fenitra.

Fijoroana vavolombelona eo amin'ny fiainam-bahoaka:

Famaritana : Mahatratra ny refy rehetra hihetsehan'ny olona sy ny fiarahamoniny ny asam-pamonjen'Andriamanitra:sosialy,politika, ekonomika, koltoraly(jereo nyfamonjen'Andriamanitra ny Isiraely olony teo amin'ny tantarany tany Egypta, tany an'efitra, tao Kanana, tany Babylona ary ny pratikan'i Jesoa Kristy sy ny Fiangonana voalohany) Vavolombelon'ny fisian'ny Fiangonana (témoignage de présence) (Fifanakalozan-kevitra no tena atao eto.)